Nohon’ny fanohanana avy amin’ny Fonds Commun de l’Éducation (FCE) na Famatsiambola Iraisana ho an’ny Fanabeazana, izay rafitra famatsiam-bola manohana ny politikam-panjakana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanatsaràna ny fotodrafitrasa ary ny fampiofànana ireo mpisehatra ao aminy, ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana dia nikarakara fihaonana niarahany tamin’ireo mpandraharaha sy orinasa malagasy.
Natao izany mba ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’ireo tetikasa fampandrosoana izay vatsian’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Mariky ny finiavan’ny Fanjakana hampiorina tsenambaro-panjakana mifototra amin’ny mangarahara, ny fampifaninanana ara-drariny, ny fitovian-jo araky ny fahafahana ara-toekarena, ary ny fahazahoana angokevitra ny fihaonana natao. Nanohana izany antso izany ireo mpikambana avy ao amin’ny Vondron’ny Mpandraharaha Malagasy (GEM), ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Antananarivo (CCI-A).
Nampahafantarina nandritra io fihaonana io ireo vinavinan-tsenambaro-panjakana sy ireo sehatra tohanan’ny FCE, mba ahafahan’ireo mpandraharaha miomana mialoha sy mandray anjara feno sy amin’ny fomba matihanina .
Nisy ihany koa ny fampahatsiahivana ireo zo sy andraikitrin’ny mpandraharaha, indrindra momba ny etika sy ny fahitsiana amin’ny tsenambaro-panjakana izay narahana fotoana malalaka ho an’ny fifanakalozan-kevitra sy fametrahana fanontaniana.
Manamafy hatrany ny andraikiny eo amin’ny fananganana tontolo misokatra sy azo itokisana ary manome lanja ny fahaiza-manaon’ny orinasa malagasy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny ARMP amin’ny alalan’ny hetsika toy izao.